Afak’omaly alina, nisehoana fanafihan-jiolahy teny amin’ny faritra Ambohimamory eny Atsimondrano. Trano roa no fantatra fa nanamparan’ireo jiolahy ny habibiany. Rehefa tafiditra mantsy izy ireo dia nampiasa herisetra tamina zazakely. Mitaky vola ry zalahy. Raha vao tsy manome izany anefa ny tompon’ny trano dia izao maka karazana takalonaina izao ry zalahy. Tamin’ity indray mandeha ity, firavaka volamena maro no lasan’izy ireo niampy ny vola hitany tao an-trano. Vao tsy ela akory izay no nandrenesana fanafihana sahala amin’izao tety amin’ny faritry ny renivohitra. Nandrangaranga ireo jiolahy fa ny zaza no tsy maintsy hampijaliany raha tsy manome azy ny vola ny olona tafihany. Tsy misy azo atao amin’izany fa tsy maintsy manaraka izay lazainy ireo niharam-boina.
r.s.