- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAndasibe : Aretina hafahafa, maro ny olona marary

Andasibe : Aretina hafahafa, maro ny olona marary

Fivontosana amin’ny vanin-taolana eny amin’ny ratsam-batana, no mahazo ny olona sasany ao Andasibe ; izay nanodidina ny faran’ny taoona 2014 ka hatramizao no nivoahan’ity  aretina  ity. Voalazan’ny dokotera mpitsabo any an-toerana, fa vokatry ny tsy fahampiana ara-tsakafo miha-mahazo ny olona maro, dia miafara amin’ny faharefon’ny herim-batan’ny olom-belona, ka mahatonga otrik’aretina maro samy hafa noho ny tsy fahatoheran’ny hery fiarovana ao anaty. Mahatonga vay raha toa ka tsy mahay midio ny olona iray  amin’izany. Amin’ny tànana na tongotra no tena itrangan’ny fivontosana voalohany, mivadika ho vay avy eo ary miafara amin’ny tazo mahery. Efa betsaka ireo voany, ka mahatonga resa-be noho ny tsy fahafantarana. Nandalo maitso ahitra ny faramparan’ny taona iny, ka izay no antony mahatonga ny tsy fanjarian-tsakafo. Misedra olana ara-tany  koa iny toerana iny noho ny antony maro samy hafa na dia tantsaha avokoa ny 80% ny mponina any an-toerana, ny 20% kosa dia ireo mpiasa eny amin’ny hotely sy ireo mpiasam-panjakana. Misy ireo mpilatsaka an-tsitrapo miasa sy mampianatra azy ireo ny karazam-pambolena sy fahasalamana, saingy tsy ampy ireo olona manao ny asa toy izany, ka mahatonga ireo olona maro  tsy  ho voaentana.

CATHY

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser