Trano filalaovana volabe iray teto Andrenivohitra no nisehoana zavatra hafakely ihany, ny alatsinainy teo. Rangahy iray no nanangan-torana nony fantany fa hosoka ity karatra saika nahazoany volabe. Araka ny fitantaran’ny naman’ity olona ity, dia nisy olona avy any ambanivohitr’ Arivonimamo iny no nivarotra taminy tapakila filokana. Efa nivaly ilay lalao ary fantatra fa isan’ny tapakila mahazo ity namidy ity, izay mitentina 14 tapitrisa ariary tany ho any, araka ny filazan’izy ireo. Raikitra ny fifampivarotana ary novidin’ity lehilahy ity 5 tapitrisa ariary ity taratasy kely mety hampanankarena tampoka ity. Talohan’izay anefa, araka ny filazan’izy ireo hatrany, dia efa nohamarina teny amin’ireo mpaninjaran’ilay lalao ilay karatra ary tena izy tokoa ! Saingy tsy afaka ny hamoaka ilay volabe ireo mpaninjara fa tsy maintsy entina any amin’ny foibe. Ny alatsinainy lasa teo no saika nalaina ilay vola. Vaovao ratsy no niseho. Saika torana ity lehilahy ity, raha nolazaina taminy fa tapakila hosoka no teny aminy. Notsinginina tamin’ny « blanco » mantsy ireo tarehimarika mba hitovy amin’ireo tarehimarika nahazo. Vita tsara tokoa ka raha tsy solosaina tsy mahita ilay tsingina natao taminy. Izany tokoa angamba ilay hoe nila tombony ka natombiny, araka ny fitenenana. Fa nahalasa saina ny maro ihany, tena voasoloky marina ve ity rangahy ity, ary mety ho mpiray petsapetsa aminy ve ireo olona nanamarina ilay tapakila ? Sa olona saika hisoloky ihany koa ity trano filalaovana ity ? Tsy fantatra aloha fa na izany na tsy izany, dia tranga tokony hahamailo ny tsirairay ity niseho ity. Tsy misy tandroka tokoa ny ratsy na toa inona endriny ety ivelany na toa inona.
m.L