- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireAmbatondrazaka : Mitombo isa ny tsy ampy taona mivarotena

Ambatondrazaka : Mitombo isa ny tsy ampy taona mivarotena

ambatoVao maizina ny andro dia feno ankizy mijorojoro eny amin’ny manodidina ny tsena

Tato anatin’ny volana vitsivitsy izay dia hita fa mitomba isa ireo ankizy vavy tsy ampy taona lasa mandeha mivarotena eny amin’ny sisin-dalana saika manerana ny disitirikan’Ambatondrazaka. Ny loharaom-baovao no nahafantarana fa etsy andaniny, mihamaro hatrany koa ireo vahiny tonga any an-toerana hividy vato. Mbola mitohy foana mantsy na dia efa nisy aza ny fepetra noraisin’ny mpitondra fanjakana ny fitrandahana ireny vatosoa ireny any Tanandava any sy any Didy any. Ireo vahiny ireo no voalaza fa anisan’ny tena mpanjifa.

Mahamarika ny mponina fa manomboka eo amin’ny 8 ora alina eo, feno ankizy vavy kely mijorojoro manodidina ny tsena ao Ambatondrazaka ao. Misy amin’izy ireny no mbola mpianatra, hoy ny vaovao voaray. Amin’izao fotoana izao, maro amin’ireo tsy ampy taona ireo ihany koa no efa manana laharana telefonina azo iantsoana azy raha misy mila azy ireo amin’ny hotely fandriam-bahiny. Raha izany, efa misy tambazotra mihitsy voapetraka any an-toerana. Ambony, araka ny vaovao hatrany ny vola raisin’ireo mpivarotena ireo, satria dia misy mahatratra  20 000 ariary ny fiarahana vetivety. Any Tanandava indray, mpianatra tsy ampy taona no tafaroboka amin’ity fivarotantena ity.

Janus/r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser