Omaly maraina no fantatra fa namoy ny ainy, ilay olona main’ny herinaratra teny Ambodivona, tamin’ny alarobia teo. Tonga naka ny razana teny an-toerana ny havany. Raha tsiahivina fohy ny zavatra niseho ny alarobia, roalahy izy ireo no nanamboatra tafo sy nandoko tao amin’ilay trano naorina tetsy Ambodivona. Mandalo eo ambonin’io trano io anefa ny taribihy mitondra herinaratra mahatratra hatrany amin’ny 63 000 volts. Voalaza fa tsy nanao kapa na kiraro ny iray. Faran’izay matanjaka anefa ny herinaratra ary ry zareo nikirakira vy. Tamin’izay indrindra no voasinton’ny herinaratra ny iray. Nisy fipoahana mafy ren’ny manodidina izay tonga nitangorona nizaha ny zavanisy. Ilay namany no niezaka nanavotra azy. Ity farany koa anefa no voasintona avy teo. Soa fa tapaka avy hatrany ny herinaratra. May tanteraka ilay lehilahy ary nisy aza ireo niteny fa maty teo no ho eo izy. Raha ny fantatra anefa, mbola nialana nenina tany amin’ny hopitaly notsaboina ity olona ity. Ireo rehetra nahita ny fandehan-javatra, dia samy niombom-peo fa akaiky loatra ny tariby, ny tafon’ilay trano fivarotana, ka tsy dia nahagaga ny fisehoan-javatra.
r.s.