Nitifitra rangahy teo am-pambolena zanaka akondro, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandron’ ny 02 aprily ilay vazaha, rehefa tsy faly tamin’ny fandresen’ilay rangahy malagasy efa 60 taona eo ho eo tamin’ny resaka ady tany teny amin’ny tribonaly. Ny fe sykibo ary lohalika no voan’ny bala. Niezaka ny hanatona sy hitady fifampiresahana tamin’ilay vazaha izy hanontany izay antony nahatonga ilay tifitra ho nahazo vahana. Tsy vao voalohany izao no nisy ny disadisa teo amin’ity malagasy milaza ho tompon’ny tany misy ala kininina sy ny vahiny tompona trano sy toerana fandraisam-bahiny lehibe iray eto Andasibe ity. Taorian’ny fanagadrana nataon’ireto vahiny ireto malagasy izay milaza fa tompon’ny tany ; izay marihina fa tany lovan’ireto malagasy ireto, dia tonga tao amin’ilay tany indray ny iray amin’ireo vazaha milaza ihany koa ho tompon’ity tany ity ka nitifitra avy hatrany an-dRapapany (mpandova ny tany) tamin’ny basim-borona. Tsy nisy fanazavana azon’ity Rapapany ity natao, fa tonga dia tifitra no nihatra taminy ary vao avy nitifitra ilay vazaha dia lasa. Araka ny maha basim-borona azy dia niparitaka nanerana ny vatany ny taim-bala ary ny teo amin’ny lohaliny sy ny kibony no tena voa.Mbola any amin’ny hopitaly ny niharam-boina amin’izao fotoana izao. Mbola tsy fantatra ny mety ho tohin’ny tantara, fa efa eo am-pelantanan’ny zandary eto Andasibe ny fanadihadiana.
CATHY