Mpangalatra sy mpamaky trano roalahy, antsoina hoe Claude, 31 taona sy Rolland, 30 taona no voasambotry ny polisy tetsy Ampefiloha ny alakamisy lasa teo. Raha ny fantatra dia saika hanakorontana tamin’ny hetsika fanampiana ny vahoaka sahirana teny an-toerana ireto roalahy ireto. Tonga nametraka fitoriana teny amin’ny mpitandro filaminana ny filohan’ireo vahoaka ireo, nampilaza ny fisian’io tranga io. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo pôlisy nijery ifotony ny zava-misy, ka tamin’izany no nahatratrarana an’ireto roalahy mpanakorontana ireto. Mbola tratra niady teo izy ireo sady mbola mamo. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa izy ireo ihany koa dia efa voarohirohy amina resaka halatra môtô tetsy Ampefiloha. Ambonin’izay, mbola voantondro ho isan’ny mpamaky trano, nampikaika ny mponina teny amin’ny manodidina ihany koa izy roalahy. Notazomina avy hatrany izy ireo ary efa natolotra ny fitsaràna.
r.s