- Publicité -
jeudi, décembre 25, 2025

Tapatapany

#- Trafikana basy. Olona roa voasambotra. Miparitaka dia miparitaka tokoa ireo fitaovam-piadiana mahery vaika, izay miafara eny an-tanan’ireo olon-dratsy. Ny herinandro ambony lasa teo, lehilahy roa no voasambotry ny mpitandro filaminana. Araka ny fantatra dia nahitana basy poleta sy fitaovam-piadiana hafa tany amin’izy ireo.

#- Ivato Seranana. Omby tafiditra teny amin’ny « piste ». Nisehoana tranga hafa kely teny Ivato Seranana ny sabotsy maraina lasa teo. Omby iray no tapaka tady ary tafagorobaka teny amin’ny « piste » fandehanana sy fipetrahan’ny fiaramanidina. Nifanenjahana hatramin’ny alina omby io fa tsy nety azo. Mba hisorohana ny lozam-piaramanidina mety hitranga haterak’izany dia tsy maintsy notofirin’ny zandary ity omby ity.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser