- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Sinoa roa tratra saika hanondrana sokatra miisa 11

Ivato : Sinoa roa tratra saika hanondrana sokatra miisa 11

Ny sabotsy lasa teo, sinoa taiwanais roa no tratran’ny pôlisy misahana ny sisin-tany, saika hanondrana an-tsokosoko sokatra teo amin’ny 11 isa teo. Harem-pirenena saika halefa any Guangzhu izy ireo no izao sarona tamin’ny asa ratsiny izao. Raha ny fanazavana azo dia efa tsara fono tanteraka izy ireo miaraka amina « chargeur »-na finday, mba tsy ho hitan’ny « scanner ». Efa tena matihanina tanteraka amina resaka trafika mihitsy araka izany ity lehilahy 40 taona sy vehivavy 24 taona ity. Nefa na dia eo aza ny fahakingany, tsy nahasaka ireo mpiaro ny sisin-tany tsy ahafantatra ny asa ratsy natao izany. Araka ny fantatra tokoa mantsy dia ny fihetsika mampiahiahy nasehon’izy ireo, nandritra ny mody filazany ho fotoana fialany sasatra tany Ankarafantsika no nahatonga ny ahiahy tamin’izy ireo. Efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana tany an-toerana ary efa nisy ny fanadihadiana saingy, niala maina ireo mpanao famotorana. Nony handeha hiainga tetsy Ivato vao tratra ny nafenina. Tsy ireo sokatra ireo ihany no sarona tao anaty valizin’ireto sinoa ireto fa mbola nisy vato sarobidy maromaro. Raha toa izao foana ny vokatra, angamba mety hanan-karena ihany ireo mponina mitrongy vao homana eto Gasikara. Fa ny mampalaelo sy mampametram-panontaniana ny mpanara-baovao dia mazàna, saika afaka ho azy ary mamerina ny ataony indray ireo mpanondrana an-tsokosoko harem-pirenana tahak’izao. Amin’ny tranga toa itony marina mantsy dia mety hiresaka indray ny vola, ary ho very an-javony fotsiny any ilay raharaha, afa-maina ny mpanao ratsy. Dia hiverina manao ny ataony indray ireo olon-dratsy … mandram-paha ringana ireo harena sy zava-tsarobidy tiany ho tsetsafiny eto angamba ?

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser