Tomefy olona tokoa ireo fampisehoana sy toeram-pialam-boly rehetra teto an-drenivohitra, omaly alatsinain’ny paka. Vokatr’izay habetsaky ny olona izay, indrindra fa tamin’ireo fampisehoana isan-karazany, dia samy mifandrombaka te hiditra avokoa ny olona. Fampisehoana iray tetsy Antanimena no nisiana sakoroka. Olona 11 no voapotsitra sy voahosihosy, teo am-pidirana, izay samy naratra mafy avokoa ary nalefa teny amin’ny hôpitaly Hjra. Vehivavy avokoa no ankamaroany ary ankizy telo tao no kely indrindra tamin’ireo naratra, izay voa teo amin’ny tongony. Tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany teo, « nifanosika hiditra avokoa ny olona, efa vory marobe teo am-bavahady. Tsy navelan’ireo mpiambina niditra anefa fa nasainy nilahatra, ary efa nilahatra tsara izahay. Tampoka teo, nisy andian’olona marobe anefa, tsy nanaiky fa nanao amboletra niditra sy nandrava ny fefy vy nentina niaro ireo olona. Nibobosesika ny olona ary taraiky tao aho » hoy ny fitantaran’i Nantenaina, tovovavy 20 taona, isan’ireo naratra. Voa teo amin’ny tongony ihany koa Nantenaina, izay ankoatry ny tongotr’olona marobe niantefa teny aminy, dia mbola nozerain’ilay vy be ihany koa izy. Fifaliana no noeritreretina kanjo eny amin’ny fandrian’ny hôpitaly no niafaran’ireto olona naratra ireto. Ary iza no mahalala raha mety ho takaitra entin’izy mandramaty ny ratra nahazo azy tamin’io fotona io. Amin’ny trangan-javatra tahak’ity niseho tetsy Antanimena ity dia mazàna saika hialan’ireo mpikarakaran’ny fampisehoana foana ny loza tampoka miseho. Hatraiza anefa ny fandraisan’andraikitra ?Tokony efa ho tafiditra ao anatin’ny kajikajiny anefa ny fifehezana olona marobe toa izao, indrindra fa amin’ny andro fety. Sa ve dia hoe faly amin’ilay hoe tapitra tapakila sy nahazo tombony be fotsiny ?
m.L