- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAdiady niafara tamin’ny famonoana : Tovolahy iray voatrobaka antsy teo amin’ny kibony

Adiady niafara tamin’ny famonoana : Tovolahy iray voatrobaka antsy teo amin’ny kibony

Rehefa tsy voafehy tokoa ny toaka, lasa mitondra any amin’ny zava-dratsy. Tovolahy iray, mpivaro-mofo eny amin’iny faritra Ankatso iny no maty voatsindrona antsy, ny harivan’ny faran’ny herinandro lasa teo. Nitangorona ny olona, somary niakatra ny feo teo amin’ireto roalahy, samy mpivarotra mofo teny Ankatso, tokony ho tamin’ny 4 ora hariva . Samy efa somary mamo avokoa izy ireo, araka ny voalazan’ny mpitandro filaminana. Mety nentin’ny hatezerana diso tafahoatra ny iray, ka tsy nahatsindry ny fony ary avy hatrany dia nandray zava-maranitra. Nijininika ny rà, voatrobaka teo amin’ny kibony ity tovolahy 26 taona ity ary nitolefika avy hatrany. Nentina novenjena haingana teny amin’ny hôpitaly, saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy ny alatsinainy lasa teo. Izay tokoa ilay entanin’ny rano mahery ao anaty fotsiny, dia manao zavatra tsy am-piheverana. Mety ho ady tsy misy dikany angamba, kanefa dia nahavitana namono olona.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser