- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025
AccueilFaits-DiversIlakaka : Taratasy hosoka nibodoana tranon’olona

Ilakaka : Taratasy hosoka nibodoana tranon’olona

Teratany Malagasy ny tompon’ny trano ary teratany vahiny kosa ilay mikasa ny hibodo ny tany sy trano iray ao Andohan’Ilakaka; izay misoratra amin’ny anaran-dRakotonandrasana Nathalie Mariella (RNM). Manana trano roa karazana i RNM ao Ilakaka. “Ny iray tamin’ireo no namidiko tamin’ilay teratany vahiny. Tsy nisy olana mihitsy ny fivarotana teo” raha araka ny fanazavany. Taty aoriana anefa dia nitsimbadika tanteraka ny rasa, satria nisy taratasy hosoka nataon’ilay vahiny ka nibodoany ilay trano faharoa, ao anatin’ny sarin-tany “carreau N°2” eo Andohan’Ilkakaka. “Rehefa nohamariniko ny antontan-taratasy rehetra, dia hita niharihary ny maha-hosoka azy : nangalarina ny soniako tamin’ilay taratasy fifampivarotana voalohany (trano voalohany) ary nampiasaina nanaovana hosoka amin’ny taratasy fifampivarotana ilay trano eo amin’ny ‘carreau N°2’ eo Andohan’Ilakaka. Tsikaritro koa fa tsy mitovy ny laharana kara-panondroko ao anatin’ilay taratasy fifampivarotana. Tsy vitan’izany fa mbola hafa ihany koa ny anarana tany amin’ny ‘acte de donation’ izay teny anivon’ny kaominina. Ary farany dia kartie tsy mitovy sy refy tsy mitovy (carreau N°10 indray) no hita tao anatin’ireo antontan-taratasy rehetra ireo” hoy i RNM tao anatin’ny fanazavany. Niakatra fitsarana ny raharaha. Nandalo ambaratonga maromaro ka efa eo anivon’ny fitsarana ambony ao Fianarantsoa ny dosie ankehitriny. Raha araka ny fantatra, dia ny 6 mey izao no hivoaka ny didy momba izany.  Hihaona amin’ny mpanao gazety anio i RNM ary hanazava bebe kokoa ny momba ity raharaha fibodoana ny tranony avy amin’ny alàlan’ny taratasy hosoka ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser