- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversTsiadana : Mpivady niady, voatsindrona antsy ramatoa

Tsiadana : Mpivady niady, voatsindrona antsy ramatoa

Ny fo tokoa ranomafana ka indraindray  ny adiady madinidinika mety hitarika zavatra tsy am-piheverana. Ramatoa iray, monina eny amin’iny faritra Tsiadana iny, no novonjena haingana teny amin’ny hôpitaly ny alatsinainy lasa teo, noho ny habetsaky ny rà very vokatry ny tsindrona antsy nahazo azy. Araka ny feo mandeha dia toa hoe ny vadiny ihany no nanao ity habibiana ity. Raha ny fitantaran’ireo mponina teny amin’iny faritra iny mantsy, tsy dia mafana toy ny taloha intsony ny tokantranon’izy ireo. Saika andrenesana ady mampitolagaga ny fokonolona foana ataon’izy ireo. Tamin’ity indray mitoraka ity, efa tena niakatra dia niakatra ny feo tao amin’ny nisy azy ireo. Tsy fantatra hatreo izay zava-nitranga, raha ny filazan’ireo mponina hatrany fa ramatoa efa niantsoana mpamonjy, ary navoaka avy ao an-tranony mihoson-drà no hany sisa hita. Tsy fantatra ihany koa izay nahazo an-drangahy ka nahavitany nandratra am-badiny tamin’ny zava-maranitra toa izao. Fety tokoa tamin’io andro io, ka araka ny filazan’ireo mponina dia efa somary mamo rangahy vadiny. Izay tokoa ilay hoe, tonio ihany aloha ny hatezerana sao dia hanimbana ny fiainana iray manontolo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser