- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Ny mpamily ihany no nangalatra ny fiara

Ampitatafika : Ny mpamily ihany no nangalatra ny fiara

Tamin’ny faha-7 aprily no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny brigade criminelle teny Andohotapenaka ny lehilahy iray antsoina hoe Petit. Ny vaovao no nahafantarana fa izy no nangalatra ny fiara taxi-be zotra 172 izay izy ihany no mpamily izany. Hita teny Ambodirana Atsimo fokontany Ambohibary Ampitatafika amin’iny lalana mandeha ho any Antsahadinta iny koa ny fiara. Ny faha-26 martsa no nanomboka tsy hita io taxi-be ity. Tamin’io andro io, naka ny fiara toy ny fanaony teny Itaosy handeha hiasa izy. Tsy niverina intsony tonga nanatitra izany anefa ny hariva. Ny vaovao voaray no nahafantarana fa ny mpamily mpisolo no nasainy nitondra ny fiara tamin’io fotoana io. Rehefa hariva ny andro, tonga naka ny « versement » sy ny fiara izy. Nilaza tamin’izay fa hampiasainy ny ampitso faha-27 martsa. Ny « receveur » tsy nahalala na inona na inona tamin’io fotoana io.  Raha vantany vao fantatra fa very ny fiara dia nametraka fitoriana ny tompony. Nandeha ny fikarohana dia izao hita izao ilay izy andro maromaro taty aoriana. Tamin’ny famotorana natao an’ilay mpangalatra no nahalalana fa napetrany tamin’olona telolahy hamboarina sy ho lokoina ilay taxi-be. Efa nifanaraka tamin’ny karama ry zareo ka 2 tapitrisa ariary no karaman’ireo olona. Nilaza i Petit fa azy io fiara io ka tiany hamboarina. Voalaza fa tsy mbola nanomboka anefa ny asa satria tsy naharay « avance » ireo mpanamboatra.

Rehefa tratra izy ka nohadihadiana dia nanala ireo olona telo izay nolazainy fa tsy mahalala na inona na inona mikasika izao halatra izao. Niteny ihany koa fa rehefa voahova ny lokony dia nokasainy amidy ity taxi-be ity. Toa tsy vao izao no nangalatra ny fiara nampiasainy ity mpamily ity fa efa nanao izany tany aloha tany.  Taxi-be 119 sy taxi-be Itaosy izay efa niasany.

Omaly faha-9 aprily izy no natolotra ny fampanohavana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser