Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo ary samy nidoboka avokoa. Polisy nisahana ny fanadihadiana halatra volamena sy vola an-tapitrisany maro izy ireo. Nandeha araky ny tokony hoizy izany ary voasambotra tokoa ireo voarohirohy ho tompon’antoka. Azo ihany koa ny entana rehetra. Ireo indray anefa no nahodin’ireo mpitandro ny filaminana nony avy eo. Nalain’ireo farany ny ampahany tamin’izany. Nitory ny tompon’entana ary nisokatra ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpitandro ny filaminana. Niakatra omaly tao Anosy ny raharaha ary samy nidoboka izy efa-dahy.
D.R