Nandriaka ny rà, nirefotra ny basy. Jiolahy efa-dahy no nanesy mpivarotra roa teny amin’ny faritra 67ha iny, omaly vao maraina tokony ho tamin’ny 2 ora tany ho any. Raha ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra voalohany teo anivon’ny kaomisaria, misahana iny faritra iny, dia trano roa milahatra ireto nasesin’ny jiolahy novakiana ireto, tao ambadika hôtely iray teny an-toerana. Mirongo fitaovam-piadiana ry zalahy ka mora tamin’izy ireo no nahazo izay zavatra nilainy tao amin’ireo fivarotana ireo, rehefa avy nanao amboletra niditra tao an-trano, tamin’ny alalan’ny famakiana fitaratra. Teo anefa no niseho ny tsy nampoizina ho azy ireto. Naratra ny vakim-pitaratry ny varavarankely novakiany ny iray tamin’izy ireo saingy afaka nitsoaka ihany. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo pôlisy avy ao amin’ny kaomisaria, niampy ny UIR, nanenjika ireo jiolahy araka ny fanazavana azo hatrany. Voatery nanao tifi-danitra mihitsy izy ireo ho fampijanonana ireo jiolahy, izay nihazo ny arrêt-n’ireo taksibrosy mankany Mahitsy iny, teo Antohomadinika ary tafagorobaka hatraty Antaniavo. Noho ny ratra nahazo azy teo amin’ny tongony, noraisim-potsiny teny am-pitsoahana ny iray tamin’ireo jiolahy, raha tafaporitsaka kosa ny iray. Niezahan’izy ireo nariana teny an-dalana kosa ireo entana sasantsany nalain-dry zalahy tamin’ireo trano novakiany. Izay efa tafaverina tamin’ny tompony izany, raha loharanom-baovao azo hatrany. Nentina nohadihadiana avy hatrany teny amin’ny kaomisaria foibe ity jiolahy tratra ity. Eo am-pikarohana ireo namany sasany kosa ireo mpitandro filaminana.
m.L