Novonoina, nafatotra tamin’ny vatobe ary natsipy tany anaty lavadrano ny lehilahy iray
Taorian’ny nahitana fatin’olona natao tao anaty lavadrano teny Ambohinambo Talatamaty, fantara izao fa olona telo no voarohirohy tamin’izany. Niakatra teny amin’ny Fampanohavana, omaly izy ireo ary avy hatrany dia nalefa vonjy maika eny Tsiafahy.
Tamin’ny alatsinain’ny paska teo, ny hariva efa maizina no niseho ity famonoana ity araka ny loharanom-baovao. Io hariva io, nisy vehivavy iray handeha hody. Tsy nanana namana izy tamin’izay ary natahotra. Teny an-dalana anefa, hoy hatrany ny vaovao, nahita roalahy tafara-dalana taminy izy. Niangavy an’ireo olona ireo ilay ramatoa hanatitra azy. Dia nanaiky hanao izany izy roalahy. Tetsy andaniny, rehefa nahatsapa ny vadin’ilay vehivavy fa tara fodiana ity farany dia roso hitsena azy. Nifenena teny an-dalana ny roa tonta, izy telo handeha hody sy ilay lehilahy. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa toa hoe somary nanao vava ny vadin’ilay ramatoa. Dia vita teo iny. Rehefa tonga tany an-trano anefa izy avy nanatitra ilay ramatoa dia lasa niverina nanaraka an’ireo olona roa.
Toa nihazakazaka ny fandehan-javatra avy eo satria tsy nody io alina ilay tompom-bady. Ny maraina, tonga nampilaza tany amin’ny mpitandro filaminana ilay vehivavy vadiny fa tsy hita ilay lehilahy. Fotoana foy taorian’izay anefa, naharay tatitra ny zandary fa nisy fatin’olona hita tao anaty lavadrano eny Ambohinambo. Nandeha teny an-toerana avy hatrany nijery ifotony ireo mpitandro filaminana. Nampiakarina ny razana ka tamin’izany no nahafantarana fa ilay tompom-bady io hita efa maty io. Tsy vitan’ny novonoina ilay izy, hoy hatrany ny vaovao, fa mbola nisy vatobe nifatotra tamin’ny vatany.
Nisokatra teo no ho eo ny famotorana ary dia tany amin’ireo roalahy no niantefa ny ahiahin’ny mpitandro filaminana. Rehefa nohadihadiana izy ireo dia fantatra fa voarohirohy amin’ity vonoan’olona ity. Nisy olona iray koa voatondro ho niaraka taminy. Araka ny efa voalaza ery ambony, niakatra teny amin’ny Fitsarana izy telo ireo ary izao nalefa eny Tsiafahy izao.
nangonin’i r.s.