- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025

Tapatapany

# – Mandrosoa Ivato. Zandary roa maratra nodomina fiara. Tamin’ny zoma alina teo, mpitandro filaminana roa hiampita arabe no nodomina fiara iray. Maratra ireto zandary ireto ary tsy maintsy nalefa eny Soavinandriana manaraka fitsaboana. Ilay mpimily koa tazonina eny amin’ny biraon’ny zandary eny Mandrosoa.

# – Anosizato. Fiara iray nitsoraka tany Ikopa. Ny sabotsy teo, fiara iray no fantatra fa lasa tany anaty ranon’Ikopa teny amin’ny faritra Anosizato. Hatramin’izao dia tsy fantara ny nahatonga ny loza. Tsy nisy aloha ny aina nafoy tamin’io lozam-pifamoivoizana io. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa vehivavy no tao anatin’ilay fiara.

# – Itaosy. Olona iray matin’ny lozam-pifamoivoizana. Ny zoma lasa teo, olona iray no fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Itaosy. Ny vaovao no nahafantarana fa nisy moto nitondra olona roa. Nisongona taxi-be izy io. Nibolisatra tamin’ny fasika anefa ry zareo ka nifandona tamin’ilay fiara. Naratra mafy ary noezahina nentina teny amin’ny hopitaly. Teny an-dalana anefa dia tsy tana ny ainy.

# – Anjanahary. Tsy lany tetika ny mpangalatra. Tamin’ny herinandro lasa teo, mpamaky trano telo no tsy nahavita ny zavatra nokasainy fa hitan’ny tompon-trano. Ny iray mitingitingina amin’ny sisin-dalana ohatra an’ireny manao maloto ireny. Mitily izy io raha afaka mangalatra ny namany. Ary dia nisy tokoa tao ambadiky ny trano roa hafa efa saika hamaky trano. Tsy nahomby ny tetika fa nisy nahita ary lasa nandositra ry zalahy.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser