Noho ny resa-bola telo alina ariary nangatahan-drangahy tamin’ny vadiny hanamboarana « cyclo-pousse » simba, nefa tsy nomen-dramatoa, saro-piaro, dia raikitra ny ady saritaka nigagam-bahoaka tamin’ireto mpivady mbola tanora manan-janaka roa mianadahy kely, ny asabotsy hariva teo, tao amin’ny fokontany Tsimeneatse Toliara. Tsy nahatanty ny taim-bavam-badiny ity raim-pianakaviana somary efa dizin’ny toaka ka tezitra sady niakatra afo ary naka famaky tao ambany fandriana, vonona hamono. Raha vao nahita ny zava-maranitra ramatoa dia lasa nitsoaka nivoaka ny trano. Noenjehin’ilay raim-pianakaviana avy tato aoriana ary nofirainy tamin’ny famaky teny an-tanany. Nisolifatra tamin’ny ilan-tsandrin-tanan-dramatoa havia ny diam-pamaky. Tezitra ny fianakavian’ity renim-pianakaviana naratra ity, izay monina tsy lavitra eo nahita izany. Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ity lehilahy namono vady ity raha tsy nalefa nitsoaka haingana sy nafenina, hoy ireo nanatri-maso.
Eric Man
Toliara : Mpivady niady vola Ar 30 000, voafira famaky ramatoa
Articles qui pourraient vous intéresser