Ny Sabotsy teo no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha 15 taona nisian’ny sekoly ambony katolika eto Antsirabe, na ny ESSVA , ka ny volana may sy jiona any ho any no mety ho ivon’ny fankalazana.
Isan’ireo sekoly voalohany nampihatra ny rafitra LMD ny Sekoly ESSVA raha ny eto Vakinankaratra, ampahany amin’ireo sampam-pampianarana misy amin’ny sekoly sisa no tsy manaraka io rafitra io raha ny fanazavana nomen’i Atoa Justin Rakotomalala filohan’ny filankevim-pitananana. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny filoham-pirenena amin’ny resaka fanabeazana ary indrindra mitarika amin’ny lafiny fampandrosoana maharitra ny fisian’ny sekoly ESSVA, hoy ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, ny Jly Jean Ravelonarivo tamin’ny fandraisam-pitenenany. Ankoatra ny praiminisitra moa dia tonga nanome voninahitra sy nanakatra ny fotoana ihany koa ny minisitry ny Fampianarana ambony, ny minisitry ny Fahasalamana ary ny minisitry ny Fitaterana, Famantarana ny teotr’andro , ny Fizahan-tany.
Tao anatin’izay 15 taona lasa izay, efa nahatratra 1600 ny isan’ny mpianatra navoaka tao amin’ny sekoly, ary maro ireo efa mitana toerana ambony any amin’ny orinasa, na eto an-toerana izany na any ivelany. Firenena maro no manohana sy miara-miasa amin’ny ESSVA. Isan’izany ny firenena Suisse izay efa hatrany am-boalohany mihitsy no miasa amin’ny sekoly. Ao koa ny Allemana sy ny Amerikana ary ny maro hafa.
Hibanjina ny 15 taona ho avy indray ny sekoly ankehitriny. Hisokatra lavidavitra kokoa ny fampianarana, raha ny fahazavana hatrany. Hitombo noho izany ny sampana misy. Tsy hamoaka mpianatra tsy an’asa no tanjona fa ho mpianatra tompon’ny fampandrosoana.
Andry N.