Ampefiloha. Tratra ilay mpanendaka. Tovolahy iray 17 taona no tra-tehaky ny polisy Ampefiloha tamin’ny heriandro lasa teo. Nanendaka olona izy tamin’izay ary lasany ny finday iray. Raikitra ny fifanenjehana ka tratra ihany ny anao lahy. Naverina any amin’ny tompony ilay telefonina. Rehefa nohadihadiana izy dia nilaza mazava fa efa in-dimy no nanendaka ary indroa no tratra. Finday sy “tablette” no tena halainy. Efa nalefa vonjimaika any am-ponja ity bandy ity.
# – Anosipatrana. Mpangalatra trondro telolahy. Naharay fitarianan avy amina olona iray ny polisy fa misy mangalatra ny trondro ao anaty dobony. Rehefa nojakoina, telo no tratra. Rehefa natao ny fanadihadiana, fantatra fa nisy efa nigadra ny iray tamin’izy ireo noho ny asan-jiolahy sy ny vaky trano. Omaly no natolotra ny fitsarana izy ireo.
nangonin’i r.s.