Miparitaka tokoa ny fitaovam-piadiana amin’izao fotoana izao. Ary maro amin’izy ireo no eny an-tanan’ireo malaso sy jiolahy. Manoloana izany tranga izany dia ramatoa iray avy amin’iny faritr’i Miandrivazo iny no nosamborin’ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia voarohirohy amina resaka fivarotana basy an-tsokosoko io ramatoa io. Taorian’ny fisamborana anefa dia misy kôlonely iray mitady hanelanelana ao anatin’izany. Raha ny fanazavana azo hatrany dia loharanom-baovao no nandrenesan’ny zandary tao Miandrivazo ny fisian’io ramatoa, mitady hivarotra basy io. Basim-borona, marika Baikal, “calibre 12”, ary mbola vaovao be no saika hamidiny tamin’izay fotoana izay. Tamin’ny fanadihadiana natao taminy anefa no nilazany fa fitaovam-piadiana manana taratasy ara-dalàna ity basy ity. Manamboninahitra iray, miasa eto an-drenivohitra, no milaza fa manana ny taratasiny na APD (Autorisation de port d’arme). Rehefa nampitahaina anefa dia tsy mitovy velively ny laharana misy amin’ilay APD sy ny laharana eo amin’ilay basy. Raha ity tranga ity no dinihana dia mazava be mihitsy ny fisiana mpitandro filaminana, mpiray tendro ao anatin’ity resaka fiparitahan’ny fitaovam-piadiana ity. Amin’izay resaka izay, isan’ireo mampirongatra ny asan-dahalo sy mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana, dia efa nampahafantatra mazava ny tompon’andraikitra eo anivon’ny zandamariam-pirenena fa tsy handefitra mihitsy amin’izay lafiny izay, ary hampihatra ny fepetra tokony horaisina, na amin’iza io na amin’iza.
m.L