Tsy misy intsony ny voankazo azo antenaina any amin’iny distrikan’i Faradofay iny. Saika ripaka vokatry ny fitrandrahana saribao sy kitay ireo hazo any an-toerana.Ny saribao efa mananika any amin’ny 6000ar ny 1 gony. Raha mbola mitohy izany, ho lany tamingana ireo voankazo mampiavaka iny distrika iny. Ny ala kininina efa ripaka, eo amin’ny 10% amin’ny velarantany misy ala ihany no sisa. Raisina ho ohatra amin’izany ny alan’i Fanjahira, ao amin’ny kaominy i Farantsa. Vokatry ny fikapana hazo tsy amim-pieretreretana dia ripaka avokoa ireo alam-boakazo. Ngazana ireo toerana sopitry ny letisia sy manga, eny fa na hatramin’ny voasary. Marihina fa saika isan-taona dia misy hatrany ny fambolen-kazo. Ny zava-misy anefa dia tsy misy mpikarakara sy mpikojakoja izy ireny. Vokany, toy ny tsy namboly hazo, asa very maina. Samy mametraka fanontaniana ny rehetra hoe inona marina no ataon’ireo fikambananana vahiny sy malagasy mitonona ho miaro ny ala sy mikojakoja ny tontolo iainana?.Hatreto dia midika ho fandaniam-bola fotsiny, noho izy tsy dia ahitam-bokatra. Ilaina ny fanaraha-maso ataon’ny tomponandraikitra ireo ONG sy fikambanana mitonona ho miaro ny tontolo iainana ireny.
Rfa