- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversFilohan’ny OJM : Hiatrika fitsarana amin’ny 5 mey

Filohan’ny OJM : Hiatrika fitsarana amin’ny 5 mey

Nitatitra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon-dRatafika William, mpitantàna ny fivarotan-tsolika Galana etsy Ankorahotra, no antony nitoriana ny Filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, Rakotonirina Gérard. Afak’omaly izy no nohenoina tao amin’ny Fampanoavana ary taorian’izay no namoahan’ny mpitsara datim-pitsarana, dia ny 5 mey ho avy izao. Rehefa nolazaina fa nanjavona ny loharanom-baovao (Ratafika William) dia ny Filohan’ny OJM no niantefan’ny fitoriana. Izany dia noho ny famoahan’ny gazety Basy Vava, izay ny tenany no tonian-dahatsoratra, ny lahatsoratra momba io valan-dresaka io. “Nahatalanjona ihany satria saika namoaka sy nitatitra io vaovao io avokoa ny gazety rehetra kanefa dia izahay ihany no voatory” raha araka ny fanazavan-dRakotonirina Gérard.  Efa tamin’ny volana novambra, nandritra  ny fifidianan’ny OJM ny fihainoana azy teny anivon’ny pôlisin’ny boriborintany faha-8, ary tamin’ny volana martsa kosa ny lahatsoratra nivoaka an-gazety, ilay nitarika ny fitoriana. Mitatitra ny filazan-dRatafika William momba ny fanajanonana fifanarahana tamin’ny Galana, izay hitany fa tsy manara-dalàna. Dia io ihany koa no nahatonga ny orinasa Galana hitory azy sy ilay gazety…nitatitra ny fanazavany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser