Natolotra ny fampanoavana, ny 23 aprily ilay tovolahy 22 taona mponina ao anatin’ny fokontany Tsarafasina ; izay nanaovany asa ratsy ihany raha iny teo am-pijorojoroana iny no nisamborana azy. Isan’ireo jiolahy nanafika ilay tokantrano iray tao an-toerana, ny alin’ny 19 aprily ity tratran’ny polisy ity, raha mpivady no niara-naratran’ireo jiolahy nirongo fiadiana mahery vaika izay samy mbola tsaboina avokoa noho ireo ratra teo amin’ny lamosina sy ny kibony nandritra ny fifanjevoana. Tsy mbola natory ilay tao an-tokantrano fa vao avy nanakatona ny fivarotany dia notsenain’ireo olon-dratsy tamin’ny valo ora alina teo ho eo. Niaiky ny heloka nataony rehetra ilay tovolahy taorian’ny fanadihadiana nataon’ny polisim-pirenena taminy, fa ireo fanafihana rehetra tao anatin’ny fokontanin’Ambodiakondro, Betambako, Tanambao, Camps des maries dia efa nandraisany anjara avokoa. Latsaka nandritra ny fifanjevoana kosa ny fitoeram-balan’ny basin’ireo jiolahy mpanafika ny alin’io alahady io ihany. Misy anefa ny fiaraha-miasan’ny polisy sy ny sefo fokontany ka nahamora ny fisamborana an’ity farany, ny fanadihadiana rahateo mbola mitohy satria ny hamongorana ny tambazotran-jiolahy no tanjona, dia ny fifampitokisana misy eo amin’ny vahoaka sy ny polisy eto an-toerana. Noho ireo ezaka ataon’ny eo anivon’ireo polisim-pirenena eto Moramanga, nihena io asa ratsy io tato ho ato ary tsy hijanona eo ihany izany fa ny fidinana ifotony any anatin’ny fokontany tsirairay avy ato anatin’ny kaominina Moramanga no tohizana hanatsarana ny fifandraisan’ny polisy sy ny vahoaka, mba tsy ho sakana hoazy ireo ny fiaraha-miasa hiadiana amin’ ny olon-dratsy.
CATHY