samedi, avril 19, 2025
AccueilFaits-DiversTsihombe : Trafikana sokatra, roalahy voasambotra

Tsihombe : Trafikana sokatra, roalahy voasambotra

SOKATRAMiverina mahazo laka indray ny trafikana sokatra any amin’iny faritra Androy iny, raha somary nangingina tsy nahenoam-baovao firy am-bolany maro. Sokatra 16 no saron’ny fokonolona tao an-tanànan’i Mikoly, any amin’ny Distrikan’ i Tsihombe, ny faran’ny herinandro teo. Tafaporitsaka ny iray tamin’ireo telolahy voasambotra. Araka ny fantatra, dia 20 no isan’ireo biby teny am-piandohana fa efa lanin’ireto olon-dratsy natao sakafo ny efatra. Hatreto, raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, mbola tsy fantatra mazava izay toerana nahazoan’izy ireo ireo biby arovana ireo.

Mihalany tamingana. Rehefa avy naterin’ny fokonolona tao amin’ny biraon’ny Zandary ireo mpanao trafikana sokatra voasambotra, dia natolotra ny fitsarana tao Ambovombe, afak’omaly. Napetraka vonjimaika ao amin’ny biraon’ny talem-paritry ny Tontolo iainana sy ny ala Faritra Androy kosa ireo sokatra mandra-pahatongan’ny fotoana hamerenana azy ireo any amin’ny valan-javaboary arovana.  Ahiana ho lany tamingana ity biby harem-pirenena tsy roa aman-tany ity, satria matetika maivana loatra tsy mifanaraka amin’ny fandikan-dalàna nataony ny sazy azon’ireo mpanao trafika tratra sy voarohirohy, ka betsaka ny mamerin-keloka.

Eric Man

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser