- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fiara roa nifandoana 4 maty, 4 hafa naratra mafy

Antsirabe : Fiara roa nifandoana 4 maty, 4 hafa naratra mafy

Sesilany ny lozam-pifamoivoizana  nitranga tato ho ato izay amin’ny lalam-pirenena, indrindra fa amin’ny RN7 iny. Fiara tsy mataho-dalana iray no nifandona tamina taxi-brousse 505 ka nahafatesana olona 4 teto Antsibre omaly tolakandro.

Miala kely ny tetezana Sahatsiho no nitrangan’ny loza tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro , izany hoe efa hiditra an’Antsirabe mihitsy izany ilay taxi-brousse. Efa somary tsy nahatana ny familiana ilay rangahy nitondra ny 4X4 raha ny fitantaran’ny nanatri-maso ny loza. Ity 4X4 ity izay hizotra hihazo an’Antananarivo.  Naka sisiny ilay taxi-brousse efa vonona ny hiaka-piakarana naka bahana kanjo nifatratra tao aminy ilay fiara tsy mataho-dalana. Mafy dia mafy ny fifandonana, potika tsy nisy noraisina ilay taxi-brousse, torak’izany koa ilay 4X4. Vokany olona efatra no namoy ny ainy ary efatra hafa voa mafy tokoa, naratra mafy. Ny telo tamin’ireo namoy ny ainy tao amin’ilay taxi-brousse, iray kosa no maty tamin’ilay 4X4. Mbola tsaboina ao amin’ny hopitaly CHRR ireo marary amin’izao fotoana izao. Fantatra fa tsy manitsy handalo fandidiana avokoa izy ireo vokatry fahatapahana sy ny ratra nahazo azy.

Raha ny fahitana ny fitrangan’ny loza dia azo lazaina fa nandeha mafy ilay fiara tsy mataho-dalana, tafatodika niverina mihitsy mantsy ny lohan’ilay fiara. Tsy nahitana diana hisatra kosa tamin’ny ara-be na kely monja aza.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser