Nirefondrefotra ny basy, nihorohoro ny olona ary nanao izay danin’ny kibony ny jiolahy. Tetsy Ambodiafontsy, tanàna iray akaikin’Ampitatafika no nisehoan’izany ny maraim-ben’ny alahady teo. Trano telo no nasesin’ireo olon-dratsy, tao anatin’ny fotoana fohy. Tao amin’ny tokantrano voalohany dia niandry ary vonona ny hifanehitra tamin’ireo olon-dratsy ny tompon-trano. Nahatonga iretsy jiolahy nitifitra izany. Naratra voan’ny bala ary voatery nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ny raim-pianakaviana iray. Na izany aza anefa dia nisy fiantraikany izany, satria tsy nisy na inona na inona azon’ireo mpanafika tamin’ity indray mitoraka ity. Rifatra nitsoaka mantsy ireo rehefa avy nanapoaka basy sy nitifitra. Taorian’izay indray dia niampita teo amin’ny trano iray tsy dia mifanalavitra teo izy ireo. Lasa ny vola, ny finday ary ny kojakoja hafa, raha araka ny fanazavana azo. Mitentina 120.000 ariary no voaroba tao raha araka ny tatitry ny mpitandro ny filaminana. Vita izay dia mbola nizotra tao amin’ny tokantrano iray hafa ireo jiolahy. Toeram-pivarotana io nandalovan’izy ireo io. Tao no tena betsaka ny vola lasa, satria nitentina 14.155.000 ariary izany, raha ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana hatrany. Tsy izany ihany aza fa mbola nanjavona tao ihany koa ny finday rehetra sy ny fitaovana fijerena DVD. Ny finday no mahamaika voalohany ny mpandroba rehefa manao ny asaratsiny izy ireo. Amin’izay mantsy dia tsy afaka ny hiantso mpitandro ny filaminana ny voatafika.
D.R