Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray no nitranga tetsy Alakamisy Fenoarivo omaly, tokony ho tamin’ny fito ora maraina tany ho any. Taxibrousse iray, marika « sprinter » no nifandona tamina fiara marika “mazda” teny amin’iny lalam-pirenena voalohany iny. Vokany, mpandeha 11 no indray naratra mafy vokatr’ity fifandonana mahery vaika ity. Araka ny fantatra dia fiara mpitatitra olona handeha ho any Imerintsitosika ilay fiara “sprinter” no izao niharan-doza izao. Tsy fantatra mazava izay zavatra niseho araka ny nambaran’ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana. Tombanana ho olana ara-teknika indray angamba na ihany koa tsy fitandremana avy amin’ireo mpamily no nahatonga ny loza. Raha ny fanazavana azo mantsy , dia toa hoe avy nanala olona ilay taxibrousse no sendra nifanehitra tamin’ilay fiara “mazda”. Efa nentina avy hatrany any amin’ny toeram-pitsaboana ireo olona naratra vokatr’ity loza ity. Misokatra kosa etsy andanin’izay ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro ny filaminana, hahalalana ny tena marina mikasika ity loza ity.
m.L