- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazomanga –Tsaramasay : Trano hazo 15 kilan’ny afo

Ankazomanga –Tsaramasay : Trano hazo 15 kilan’ny afo

Ny zoma alina tokony ho tany amin’ny 10 ora sy sasany tany ho any, nisy hain-trano niseho nandrava trano tsy latsaky ny 15 teny Tsaramasay Ankazomanga. Vetivety, hoy ny vaovao, nihanaka ny afo ary saika tsy voafehy mihitsy. Tamin’io alina koa nahery be ny rivotra, hoy ireo olona teny an-toerana. Nisahotaka ny rehetra ary samy nandeha nizaha ny zava-nisy. Tamin’izany no nahafantarana fa nisy « delestage » teny an-toerana. Toa efa zatra izany ny mponina. Tao amina fianakaviana iray no nandrehitra labozia. Tsy hay anefa na resin-tory izy ireo na ahoana,  ny vaovao hatrany no nahafantarana fa avy tao no nipoiran’ny afo. Efa lasa lavitra ny fahamaizana vao taitra ny manodidina. Ity faritra may ity dia mpivarotra no maro. Misy fivarotana saribao, hanimasaka toy ny mofo gasy, kafe. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa tokantrano dimy no tena voa mafy. Misy amin’ireo may, vita amin’ny biriky nefa dia voarain’ny afo ihany koa.

Hatramin’izao aloha, olona telopolo no tena traboina vokatr’ity fahamaizana ity. Efa manomboka manamboatra ny fonenany ny rehetra amin’izao fotoana izao. Mbola hita teny an-toerana ireo tafo fanitso maro sisan’ny afo.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser