Tsy vitsy amin’ireo mpindrana an’iny làlana mizotra mankany Ambohimanarina iny angamba no mahatsikaritra ity ramatoa iray, mananika ny 50 taona any ho any, mitorevaka eo amoron-dàlana. Miaraka amin’ny entam-be isan-karazany manodidina azy. Araka ny filazan’ireo manodidina dia karazan’irony olona tsy manan-kialofana, ary marary saina irony ity ramatoa ity. Izay rehetra mandinika ny ataony na manara-maso azy mantsy, dia mety ho voatoraky ny vato. Saingy sarotra ny tsy hanisy maso ny ataony ! Hafa raha samy fihetsik’ireo olona marary saina, mameno ny araben’Antananarivo mantsy no ataony : tsy ialana boky eny an-tànany. Tsy tazoniny fotsiny anefa fa tena mamadibadika sy mamaky izay ao anatiny tokoa. Lasa ny sain’ireo mpandinika, adala liam-pivoarana ? Na izany na tsy izany anefa aloha, araka ny filazan’ireo mponina hatrany, dia eo amin’io toerana io, eo Andraharo eo foana no misy an’io ramatoa io, saika isan’andro isan’andro, ary na avy orana na maina andro. Teo aloha teo, raha ny fantatra hatrany dia teo akaikina orinasa lehibe iray no nisy azy, saingy nikisaka eo akaikin’ny fiandrasana taxibe indray izy amin’izao. Lasa ihany ny saina ny amin’ny fisian’ireo olona marary saina mirenireny eny rehetra eny. Tsy ity ramatoa ity irery fa ireo hafa maro. Mba aiza ho aiza ny havan’izy ireny, ary inona ihany koa no fandraisan’andraikitry ny fanjakana eo anatrehan’ny fahabetsahan’izy ireny. Mazàna mantsy, misy amin’ireo adala mirenireny ireo no mamono olona ary tena mandratra mihitsy, raha tsy hiteny afa-tsy ilay niseho teny Anosibe, volana maro lasa izay.
m.L