Tamin’ny sabotsy faha-25 aprily teo no nosamborina teny Analakely ny lehilahy iray antsoina hoe Beloha, misandoka ho polisin’ny BC. Ny avy ao amin’ny BC ihany no nisambotra an’ity lehilahy 35 taona ity. Ny vaovoa voaray avy eny amin’ny polisim-pirenena tamin’ny valandresaka, omaly, teny Anosy no nahafantarana izao fisandohana izao. Niainga avy tamina fitarainana nataon’olona no nahatratrarana an’ity olona ity. Natao avy hatrany ny vela-pandrika ka tamin’izany no nisamborana an’i Beloha. Nosavaina izy ka hita tany aminy ny sarina basy fitondrany rehefa mampitahotra olona izy. Tsy vitan’izany fa nisy taratasy hosoka « mandat d’amener » tao anaty motoany. Naleha indray tany an-tranony dia zavatra marobe no hita tany, anisan’izany ny « puces » marobe. Ireo olona « samboriny » dia entiny eny Anosy ary asainy miandry azy tsy lavitra ny biraon’ny polisy. Rehefa izany, iny izy no tsy hita intsony. Maro dia maro ny zavatra vitany, hoy ny vaovao ary mitohy hatrany ny famotorana.
nangonin’i r.s.