- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndekaleka : Tovolahy iray, maty nizarazara voahitsaky ny lamasinina

Andekaleka : Tovolahy iray, maty nizarazara voahitsaky ny lamasinina

Loza mahatsiravina no nitranga tao Andekaleka, ny zoma lasa teo. Tovolahy iray manodidina ny 30 taona any ho any, no hita faty, nitsitra sy efa nizarazara teo ambony lalam-by, teo amin’ny PK 205. Azo vinavinaina avy hatrany fa mety ho voahitsaky ny lamasinina izy ity. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny zandary misahana iny toerana iny, tsy nisy nahita ny loza nahazo ity lehilahy ity. “Eny fa ny mpitondra ny lamasinina mety ho nanitsaka azy aza mety tsy nahafantatra akory ny fisiana olona tao ambany kodiarany”. Ny maraina mantsy vao hitan’ny olona ny vatana mangatsiakany ary saika tsiravina avokoa izay nahita. Tsy hay tantaraina ny fahitana azy teo : tapaka tanteraka nizara teo amin’ny feny ny tongony roa, torak’izany ihany koa ny tanany ilany. Araka ny fantatra dia tsy mponina eny amin’iny faritra iny ity lehilahy hita faty ity. Tsy misy mahafantatra azy rahateo ny olona, araka ny filazan’ny zandary hatrany. Mahagaga ihany koa fa tsy dia nihosin-drà ihany koa teo amin’ny faritra nahita ny razana. Mipetraka araka izany ny fanontaniana : naninona tany an-kodahoda tany io lehilahy io ? Etsy andanin’izay ihany koa, azo heverina tsara ny hoe, mety ho efa maty izy no nisy nanipy teo amin’ny lalam-by. Iza ireo ary ireo mpamono ary iza ihany koa ity olona novonoiny ? Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa efa nalevin’ny fokonolona teny an-toerana ity lehilahy ity. Misokatra kosa etsy andanin’izay ny fanadihadiana mikasika izao trangan-javatra izao. Ny pôlisin’ny orinasa Madarail no miandraikitra izany, raha ny voalazan’ireo zandary.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser