- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalakely : Noroahina ny mpivarotra fiara

Analakely : Noroahina ny mpivarotra fiara

Tsy nisy nanam-po ny fidinan’ny pôlisy sy ny CUA teny Analakely omaly. Nosavaina tsirairay ireo fiara nipetraka ka namidy teo an-toerana. Naiditra “fourrière” avy  hatrany izay tsy nisy taratasy mazava. Nisy mihitsy aza tamin’ireo saofera no voatery nanokafana fanadihadiana. Nalalaka tanteraka ny teo anoloan’ny “arcade” vokatr’izany,  satria nitsoaka teo avokoa ny mpanao bizna fiara. Raha tsiahivina dia efa nisy ny fanomezana azy ireo toeran-kafa, toy ny eny amin’ny marais masay, saingy niverina teo daholo ihany. Ny tsikaritra dia hay ireo fiara amidy no tena mameno an’Analakely ka lasa mampanahirana ny fitadivana “parking” ho an’ny olon-tsotra. Hita ho hentitra omaly ny mpitandro ny filaminana, izay nilaza fa hotohizana hatramin’ny farany ny fanalàna ireo eo an-toerana. Ilaina ny fandaminana toa izany satria sempotra tanteraka Antananarivo, indrindra iny ampovoan-tanàna iny. Ny mpivarotra antsisin-dàlana, ny mpivarotra fiara, ny mpivaro-mandeha dia saika eo avokoa no mifatratra, ny toeran-kafa anefa mipetra-potsiny…

D.R

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser