- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAndraikiba : Fonosana hafahafa nilevina, nampisahotaka ny mponina

Andraikiba : Fonosana hafahafa nilevina, nampisahotaka ny mponina

Mpaka vilona iray teny Andraikiba no nahatsikaritra fonosan-javana iray nalevina. Nofongarin’ny alika io zavatra io ka nipoitra ny ampahan’ilay lamba namonosana azy, lamba fotsifotsy rahateo ary misy “serviette” koa. Niantso ny manodidina ilay rangahy hijery ilay zavatra, vetivety dia nitangorona ny olona, samy tsy nisy sahy namongatra ilay lamba ny fokonolona fa nitovy hevitra avokoa fa razana nisy nandevina ity hita ity. Vetivety dia niely teny an-toerana ny vaovao,  fa misy fatin’olona hita indray tao Andraikiba. Tonga teny an-toerana mihitsy moa ny BMH sy ny polisy nanao fizahana. Tamin’ny Alarobia lasa teo no nisehoan’ity tranga ity. Rehefa nofongarina tao ilay fonosana dia hita fa tena mifono tsara tokoa toy ireny razany ireny, ary  mbola mifono  “serviette” koa ilay izy. Rehefa nosokafan’ny BMH kosa dia hay fatin’ irony alika avo razana be sofina irony no tao anatiny. Nihomehy avokoa ny manodidina nanatri-maso ity tranga iray tao Andraikiba ity.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser