# – Boulevard de l’Europe. Mpitondra moto nahitana basy. Nanao ny asany toy ny mahazatra ny polisy avy ao Ankasina teny amin’ny “Boulevard de l’Europe”, nisava ireny moto ireny tamin’ny zoma teo. Nisy roalahy teo ambony moto tsy nisy taratasy no nosavaina tamin’izany. Rehefa nojerena ny tao anatin’ilay kodiran-drao dia nahitana basy poleta iray, mbola tsy nisy taratasy ihany koa. Rehefa tany amin’ny biraon’ny polisy dia nilaza izy roalahy fa tsy azy ilay moto ary tsy fantany ny momba ilay basy. Amin’izao fotoana izao, karohina ny tompony.
# – Ankadimbahoaka. Halatra moto. Olona iray no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faharoa Ambohijatovo niaraka tamina moto halatra iray teny Ankadimbahoaka tamin’ny zoma lasa teo. Very tamin’io andro io tao anaty garazy ny Scooter iray marika Yamaha. Natao ny fikarohana ka nifanehatra tamin’ny polisy ireo mpangalatra. Tafatsoaka ny iray. Tratra kosa ny faharoa niaraka tamin’ilay moto. Monina eny Soavimasoandro ity voasambotra ity.
# – Tonelina Ambanidia. Mpanendaka roalahy voasambotra. Roalahy fantatra fa mandenaka eny amin’ny tonelina Ambanidia no tratran’ny polisy tamin’ny alin’ny sobotsy teo. Nisy nahamarika indray izy ireo tamin’io fotoana io. Nandeha teny amin’ilay toerana ny polisy nisambotra azy ireo. Rehefa nofotorana ry zalahy dia nilaza fa efa fanaony ny manendaka eny amin’iny faritra iny.
nangonin’i r.s.