Ny 17 aprily lasa teo no efa nanomboka tsy hita izay nalehan’i Sitraka, tovovavy mpianatra ao sekoly téolojika eny Ambatonakanga, sy monina ao Andranovelona Ilafy. Hatairana anefa ny an’ireo ray aman-dreniny fa telo andro taorian’izay no nitsingevana teny amin’ny riandrano iray teny an-toerana ny vatana mangatsiakany. Nihohoka ary feno ratra. Raha ny fanazavana azo tamin’io fotoana io dia tsy nisy nahafantarana ny razana intsony, ankoatra ny ankajo ambony iray nanaovany, nisy ny famantaran’ilay sekoly nianarany. Nanomboka teo ny fanadihadiana ary noraisin’ireo pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy, satria dia vono olona ankitsirano ity nitranga teny an-toerana ity. Noahiahiana tamin’ity famonoana ity ny tovolahy niaraka taminy sy ireo namany hafa telo lahy. Raha ny fampitam-baovao azo hatrany mantsy dia hitan’ny olona niaraka taminy foana ity sipany ity, tao anatin’ny roa andro nanjavonany, izany hoe ny zoma alina, ny sabotsy tontolo andro ary mbola tazana teny amin’ny toerana nahitana ny razana hatramin’ny alahady hariva. Ny marainan’ny alatsinainy anefa, io hita faty ilay tovovavy. Voalaza tamin’izany fa nanana olana ara-pitiavana, niarahan’izy roa novahana izy ireto tamin’izay fotoana. Saingy angamba tsy nety voavaha izany ary dia izao niafara tamin’ny fifamonoana izao. Ny faran’ny herinandro teo no nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana ity tovolahy niaraka tamin’i Sitraka ity. Taorian’ny fanadihadiana dia nanapa-kevitra ny mpitsara mpanao famotorana ny hampiditra am-ponja azy vonjimaika eny Antanimora, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L