- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Nadoboka any am-ponja ireo mpamono olona roalahy

Ambohimanarina : Nadoboka any am-ponja ireo mpamono olona roalahy

Androany no natolotra ny Famponoavana tetsy Anosy ireo roalahy, voatondro ho namono nahafaty ny namany iray antsoina hoe Tovo, tetsy Antanety avaratra, Ambohimanarina, ny alatsinain’ny Paka lasa teo. Rehefa nohenoin’ny mpitsara mpanao famotorana izy ireo, ary niaiky ny heloka vitany, dia nalefa avy hatrany any am-ponja, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Raha tsiahivina kely ity tranga mampivarahontsana ity, dia hita faty, tsy lavitra ny toerana niarahan’ireto mpinamana telolahy ireto nirevy, ny vatana mangatsiakan’ny iray tamin’izy ireo, ny marainan’ny talata 7 aprily lasa teo. Dian’antsy maromaro no teny aminy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy. Rehefa nataon’ireo pôlisy ny fanadihadiana dia fantatra tamin’izany fa niaraka nisotrosotro izy telolahy ireto, ny alin’ny alatsinain’ny paka io. Tao anatin’izany no nisian’ny fifamaliana tamin’izy ireo, ka nandraisan’ny sasany antsy. Tsy am-pihambahambana no niantefan’izany teny amin’ity tovolahy hita faty ity. Nitsoaka ireto roalahy mpamono olona taorian’io, ary nanomboka teo ny famotorana sy fikarohana nataon’ireo mpanao fanadihadiana. Andro vitsy taty aoriana monja no nosamborina izy roalahy. Naverina ny fitrangan’ny famonoana (reconstitution), ary tamin’izany no niaiken’ireto farany ny heloka vitany. Izay tokoa ilay entin’io “rano mahery” io ary manaotao foana avy eo, izay mety hanimbana ny ho avy iray manontolo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser