Mpanendaka, mpisintona finday, mpangarom-paosy sy mpandrovitra poketran’olona miisa 11 no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-8 Analamahitsy tamin’ny andron’ny fampisehoana nataon’i Lola. Tomefy olona tokoa Antsonjobe sy ny manodidina ny alahady teo. Tonga teny koa ireo olon-dratsy isan-karazany. Efa fantatry ny mpitandro filaminana anefa ny fisian’izy ireny. Nisy araka izany ny hetsika natao. Napetraka tamin’ny toerana maro samihafa ireo polisy nanao fanamiana sivily. Nahitana vokany ilay hetsika, satria dia izao nahasamborana olona marobe izao. Voalazan’ny vaovao moa fa tsy ampy taona ny ankamaroan’ireo mpisam ireo ary 11 taona ny zandriny indrindra.
Tao anatin’ny fotoana lavalava dia efa fantatra fa nirongatra ny harom-paosy sy ny sinto-mahery teny Analamahitsy sy ny manodidina, toy ny eny amin’ny “carrière”, “basin” ary indrindra teny amin’ny lalam-baovao. Izay tratran’ireny jiolahy ireny dia samy mikaikaika avokoa, indrindra ireo sendra hariva. Tsy afa-bela ihany koa ny mpandeha fiara sy taxi-be, izay voaroba telefonina. Manao andiany ry zalahy amin’izany. Miala maina ireo sahy manenjika satria raha vao tafiditra elakelantrano ireo bandy dia tsy hita intsony. Maro ny fitoriana napetrak’ireo izay niharan’ny fanendahana. Anio no hatolotra ny fitsarana ireo telo lahy ampy taona fa ireo tsy ampy taona kosa hatolotra ny Polisy misahana ny ankizy tsy ampy taona.
Anjozorobe. Nisehoana ady saritaka ihany koa tany Anjozorobe tamin’ny fampisehoana nataon’i Staphanie tany an-toerana, ny sabotsy lasa teo. Voatery tsy maintsy niditra an-tsehatra ny zandary tany an-toerana nandamina ny raharaha. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa efa hadiva ho tapitra ilay fampiehoana vao niseho ny ady saritaka teo amina olona maromaro. Voalaza fa samy avy any Avarabohitra izy ireo ary toa efa nisy lonilony tamin’izy ireo. Teny amin’ny lanonana vao nifandramatra. Nitohy tany an-tanàna izany avy eo. Voalamina hatrany anefa. Soa aloha fa tsy nisy ny naratra.
nangonin’i r.s.