- Publicité -
mercredi, septembre 17, 2025
AccueilFaits-DiversVohémar : Raim-pianakaviana iray maty nitifi-tena

Vohémar : Raim-pianakaviana iray maty nitifi-tena

Izy irery tao amin’ny efitrano fatorian’izy mivady no nitifirany ny fony tamin’ny basiny calibre 12 ary nahafaty azy tsy tra-drano. Tamin’ny 1ora sy sasany marainan’ny 04/04/2015 io ary tao amin’ny tanàna fonenan’izy ireo ao Andalamahitsy – Fkt Antsivolanana – Kaominina ambanivohitra Tsarabaria – distrikan’i Vohemar no nitrangan’izany. Araka ny nambaran‘ny zanakalahin’ilay rangahy namono tena, 18 taona, zanak’ilay rangahy tamin’ny vehivavy hafa talohan’ny nakany  vehivavy hafa ho vadiny an-trano. Natory tao amin’ny efitrano eo ankilan’ilay efitrano fatorian-drainy no naheno ny feom-basy nipoaka ka  taitra ary nifoha. “Nisy disadisa teo amin-drainy sy ilay vehivavy nalainy ho vadiny an-trano telo andro talohan’ny daty namonoany tena”. Nomarihany koa fa efa niterahan-drainy namono tena.  46 taona ity olona naomo tena ity. Roa ny zanany amin’io vehivavy vadiny an-trano io. “Tohin’ny disadisan’izy mivady ny alin’ny Alatsinainy voalohan’ny volana mey no nahatongavan’izao famonoana tena izao”, hoy iry zanany 18 taona iry. Nambarany fa nahita ny nialan’ilay renikeliny ny tokantrano’izy mivady  izy. “ Efa vonona ny hisaraka tamin-drainay” hoy izy. “Nentin’ilay ramatoa, hoy ihany izy, ireo zanany.“ Rahefa nosakanako ny handeha izy ka mba tokony hiandry ny fiverenan-drainay ao an-tokantranon’izy ireo izy vao mandeha, fa tsy ivohon’ny rainay mbola tsy ao an-tokatrano”. Mbola notohiziny ny fanazavany hoe: “Navelany teo amin’ny tany ilay zazakely 1taona sy sasany izay nitomany nilaozan-dreniny ary dia lasa izy. Izaho, hoy ihany koa izy, no naka an’ilay zandriko sy nanambitamby azy mba hampanginana azy nefa dia mbola nitomany foana ilay zandrikelinay mandrapahatongan-drainay  tao an-trano. Ary tsy nanaiky hotambatambazana mihitsy ilay zazakely, satria mbola ninono amin-dreniny izy navelany io. Izany no heveriko ho antony namonoany tena manokana tao amin’ny efitrano fatorian’izy ireo tao”. Notadiavin’ny fokonolona sy ny zandary ilay ramatoa mba hofotorana sy haka ilay zazakely navela, nefa dia mbola tsy hita popoka na aiza na aiza no nalehany hatramin’izao andro anoratako izao.

REMI, Rakotonirina

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser