- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Lehilahy nisy nidaroka teny ambony môtô

67ha : Lehilahy nisy nidaroka teny ambony môtô

Amin’izao firongatry ny asan-jiolahy etsy sy eroa izao, tsy misy tany aleha intsony amin’izao fotoana ka hoe mandry fe izay ireo mponina ao aminy, raha ireo faritra rehetra eto an-drenivohitra no asian-teny. Ny alatsinainy alina lasa teo, lehilahy iray, handeha hamonjy fodiana teny amin’iny lalam-baovao, “boulevard de l’Europe”, mitodi-doha mankany Ankazomanga iny, no niharan’ny fanafihan-jiolahy ka naratra mafy vokatry ny daroka hazobe tao amin’ny hatony. Araka ny fantatra dia nitaingina môtô ity raim-pianakaviana ity tamin’io andro io. Tamin’izay fotoana izay indrindra anefa no nisy andian’olona maromaro nanakana azy. Niezaka nitsoaka ihany ity lehilahy ity, saingy tamin’izay fotoana izay no nisy daroka mafy dia mafy avy hatrany niantefa tao amin’ny hatony. Nianjera izy ary naratra. Mbola afaka niantso vonjy ihany anefa, ka rehefa nahita ny olona nivoaka ireo olon-dratsy dia lasa nitsoaka. Nentina namonjy hôpitaly haingana ity lehilahy ity. Angamba saika haka ilay môtô mihitsy ny tetik’izy ireo, saingy nony nahita ireo fokonolona avy dia rifatra nitsoaka. Mitaintain-dava ny olona. N’inona n’inona amin’izao fotoana izao tokoa mantsy handehanana dia hitan’ireo tsy mataho-tody foana ny fomba hamelezany azy. Na anaty fiara io, na eny ambony môtô, ny mandeha an-tongotra moa amin’izany efa tsy lazaina intsony. Mahalasa saina ihany tokoa mantsy ny firongatr’ireo olon-dratsy ireo. Eny fa na dia efa manao izay azony atao tokoa aza ireo pôlisy, indrindra fa ny amin’iny lalana Ankasina sy lalam-baovao iny, hitandroana izay filaminana izay, fa dia hain’ireo tsy valahara hatrany ny midify azy ireny, ahafahany manohy ny asa ratsiny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser