- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAndraisoro : Dimy lahy nirongo basy nanafika mpivarotra, nirefodrefotra ny basy

Andraisoro : Dimy lahy nirongo basy nanafika mpivarotra, nirefodrefotra ny basy

Nirefodrefotra indray ny basy teny amin’ny faritra Andraisoro iny, omaly hariva. Mpivarotra iray teny an-toerana no niharan’ny fanafihan-jiolahy, tokony ho tany ho any amin’ny 6 ora sy sasany any ho any. Voalazan’ireo pôlisy tonga haingana teny an-toerana, taorian’ny antso vonjy nataon’ireo mponina, fa dimy lahy ireo olon-dratsy ary nitondra basy. Lasan’izy ireo tamin’izay ny vola matin’ity mpivarotra enta-madinika ity tao anatin’ny iray andro, izay mitentina eo amin’ny roa hetsy ariary teo. Nahavita ny asa ratsiny izy ireo, no nigadona teny ihany koa ireo sampan-draharaha miady amin’ny asan-jiolahy eo anivon’ny pôlisy, niaraka tamin’ireo pôlisy avy amin’ny kaomisaria misahana iny faritra iny. Araka ny fantatra hatrany dia nihazo ny lalan-kely mivoaka any Avaratr’Ankatso any ireto olon-dratsy ireto, ary tamin’izay fotoana izay, mba hoentin’izy ireo hanakonana ny fitsoahana no nanapoaka basy izy ireo. Tsy nisy ny naratra, tsy nisy ihany koa ny aina nafoy, raha ny loharanom-baovao hatrany. Hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola velona ny fifanenjahana sy fikarohana ireto jiolahy mitam-piadiana, fanetriben’ny firenena ireto. Efa fotoana elaela izay no tsy nisian’ny fanafihan-jiolahy mahery vaika toa izao teny amin’iny faritra iny, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny faritra iny, dia izao niverina izao indray. Tamin’izay fotoana izay, kalaky no nentin’ireo olon-dratsy nanafihana mpivarotra, kanefa dia sigara iray fonosana no azon’izy ireo. Eo anatrehan’izay, manentana ireo mpivarotra ny pôlisy mba tsy hamoha ny tsena ela loatra, raha vao manomboka maizina ny andro. “Tsy hoe manakana ny fitadiavam-bolan’izy ireo akory izahay”, raha ny fanazavana hatrany, “fa mba ho fisorohana ny tranga toa izao sy ho fitandroana ny ainy sy ny fananany ary indrindra ny filaminana”. Ireto farany tokoa mantsy dia efa manao ny ainy tsy ho zavatra mihitsy, hisian’izay fandriam-pahalemana izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser