- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Dahalo mitondra anaran’ny minisitra teo aloha

Fianarantsoa : Dahalo mitondra anaran’ny minisitra teo aloha

Sarona ny dahalo rainin-dahiny iray. Niaiky ny helony izy ary tsy afaka nandà intsony koa noho ny fahitàna porofo marobe teny aminy. Isan’izany ny basy vita gasy niaraka tamin’ny bala maromaro, ary koa ny pasipaoron’omby sandoka. Ny tena nahatalanjona dia ny fahitàna ny taratasin’omby, izay mitondra ny anaran’ny minisitra iray tamin’ny andron’ny tetezamita. Ny polisin’ny FIP avy ao Fianarantsoa no nisambotra azy taorian’ny fanangonana vaovao nataon’ny mpanao fanadihadiana. Niainga tamin’ny taxi-brousse tao Manakara ity voarohirohy ho dahalo ity ary nihazo an’Ambohimahasoa. Raha ny nambaran’ny mpitandro ny filaminana dia efa mpiray tendro amin’ny dahalo hafa eny amin’iny faritra atsimo iny ny tenany, indrindra ny atsimo atsinanana. Kelikely ny lehilahy saingy ny tambajotrany no tena mafy be. Saika namany avokoa izany ny dahalo sy ny dahalo ambony latabatra eny amin’ny faritra. Mangataka ny mpanao fanadihadiana ny mba tsy hisalasalana amin’ny fanatonana azy ireo raha manam-baovao hafa mahakasika ity olona ity, na koa ny dahalo hafa mety  ho akaiky azy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser