- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanidia : Vehivavy voaendaka tao anaty fiara

Ambanidia : Vehivavy voaendaka tao anaty fiara

Ny talata teo, vehivavy iray indray no lasibatry ny mpanendaka anaty fiara nandritra ny fitohanan’ny lalana teny Ambanidia. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nihidy avokoa ny varavarana sy ny fitaratry ny fiarany nefa dia nataon’ireo olon-dratsy amboletra ny manoha izany. Tsy ela dia nivaha ary nalain’izy ireo avokoa ny zavatra sarobidy tao anaty fiara. Faritra maro misy « embouteillage » no andrenesana karazana halatra miharo herisetra eto an-drenivohitra. Na dia maro aza ny olona mbola eny an-dalana, tsy dia misy sahy manampy ireo voaendaka noho ny tahotra. Mitondra basy sy fitaovam-piadiana isan-karazany ry zalahy ary izay rehetra miseho ho sahisahy dia asiany avokoa.

Mirongatra ny asan-jiolahy amin’izao fotoana izao. Ny vaovao re etsy sy eroa no ahafahana milaza fa kartie maro no ipoiran’ireny olon-dratsy ireny. Toa manana ny fomba fanaony anefa ry zalahy satria dia tsy mamendaka na manao sinto-mahery ao amin’ny tanàna misy azy fa any amin’ny toerana hafa no mamely. Ohatra ny efa misy fifanarahana mangina amin’izy ireny.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser