- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Telo lahy tratra nivarotra menaka rongony 5 litatra

Anosy : Telo lahy tratra nivarotra menaka rongony 5 litatra

Amidy 300 000 ariary ny iray litatra amin’ny « goudron »
Amidy 300 000 ariary ny iray litatra amin’ny « goudron »

Tamin’ny talata teo, olona miisa telo no tratran’ny polisy misahana ny ady amin’ny zavamahadomelina nivarotra menaka rongony (goudron) teny amin’ny faritra Anosy. Rehefa nohadihadiana izy ireo dia nilaza fa tsy azy ny « entana » fa an’olona avy any Vangaindrano. Ry zareo mpivarotra fotsiny. Nosamborina teny Ampefiloha ihany koa ny olona fahefatra voatondro. Namaly koa izy fa tsy tena tompony izy. Nampiany izany fa olona monina any Vangaindrano no tena tompony fa izy nitondra fotsiny ihany. Amidy hatrany amin’ny 300 000 ariary.

Matetika dia olona tsara sitrapo no manome vaovao ny polisy amin’ny resaka fivarotana sy fifohana rongony. Saika ny tanàna rehetra eto an-drenivohitra dia misy azy ireny avokoa. Maindahy miambavy ry zareo no manao asa fivelomanana fivarotana rongony. Amin’ny ankapobeny, rehefa atao famotorana izy ireny dia maro no milaza fa any amin’ny faritra atsimon’ny nosy no niavian’ny zavamahadomelina amidy aty an-drenivohitra.

Omaly no natolotra ny Fampanoavana eny Anosy izy efatra tratra ireo.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser