- Publicité -
vendredi, novembre 7, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBoulevard de l’Europe : Misy mitoraka maloto ireo fiara mandalo

Boulevard de l’Europe : Misy mitoraka maloto ireo fiara mandalo

Asa loatra re, inona no mahazo antsika ? Tsy mitsaha-mitombo andro aman’alina ireo fomba isan-karazany entin’ireo tontakely manao ny asa ratsiny. Raha ny hafa etsy mantsy, manakan-dàlana amin’ny vely kibay, miditra amboletra anaty fiara anaty fitohanana, ny ataon’ireo mpanendaka etsy amin’ireo lalam-baovao ireny kosa dia miavaka amin’izy rehetra. Misy mitoraka maloto mantsy ireo fiara izay miserana, ka mandeha irery amin’ireny lalana ireny, toa izay nitranga teny amin’iny « boulevard de l’Europe » iny. Nambaran’ireo izay efa niharan’ity fametavetana an-kitsirano ity fa ataon’ireo olon-dratsy ao anatin’irony harona « sachet » kely irony ny maloto, ary ny fitaratra alohan’ny fiara amin’izay fotoana izay no kinendrin’izy ireo. Tena tetika « maloto » ara-bakiteny tokoa, satria dia mety tsy ahita intsony ireo mpamily ka tsy maintsy hijanona. Amin’izay fotoana izay no mety hamitan’ireo jiolahy ny asa ratsiny. Somary mahazendana ihany koa amin’ity tranga ity, asa raha misy ifandraisana na ahoana, fa eo ambany tonelina Ambohidahy eo, misy maloto efa voatsinjara tsara ao anaty harona « sachet ». Milahatra, toa ireny « bala » efa miandry atoraka ireny sisa. Lasa ihany ny saina, angamba mety mahara-baovao eran-tany kosa ireo tontakely ireo. Mampatsiahy ny fanaon’ireo mpangalatra fiara tany Frantsa mantsy izy ity, izay mitoraka atody amin’ny fitaratr’ireo fiara. Rehefa mifangaro amin’ny rano ny atody dia mitakosika ka tsy maintsy mijanona ireo izay voa, ary dia lasibatra ny fanendahana sy ny halatra avy eo. Saingy ny mahasamihafa azy amin’ny eto amintsika, mbola vidina lafo ny atody, ka dia zavatra hafa no asolon’izy ireo azy … maloton’olombelona !

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser