- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmpanihy Andrefana : Miaramila namita iraka, naka ombin’olona an-keriny sady nanolana

Ampanihy Andrefana : Miaramila namita iraka, naka ombin’olona an-keriny sady nanolana

Mitohy hatrany ny fihoaram-pefy sy fanamparam-pahefana ataona mpitandro filaminana sasany tsy maty voalavo an-kibo,any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy iny. Ny fiandohan’ny volana aprily lasa teo, miaramila dimy notarihan’ny Sergent G. hampandry tany sy hanara-dia ireo malaso nangalatra omby 77 very tao amin’ny fokontany Ambinda any amin’ny kaominin’i Ejeda, distrikan’Ampanihy Andrefana no nanolana vehivavy iray antsoina hoe V. sy naka ombin’olona an-keriny (dramotsy). Raha araka ny fijerena nataon’ny mpitsabo ao Ejeda ny 04 aprily 2015 dia tratry ny fanolanana nitambaram-be ity vehivavy ity.

Tsy matimanota. Raha ny loharanom-baovao , niray dia tamin’ny mpangalatra omby antsoina hoe: E. ireto miaramila izay hanao ny asa fandriampahalemana taorian’ny antso vonjy nataon’ny fokonolona, kanefa nivadika fanolanana sy fakana an-keriny fananan’olona no niafarany. Tonga tany an-toerana nijery ny zava-nisy ary niantoka teo anatrehan’ny fokonolona ny kaomandin’ny RM 5 ao Toliara, fa tsy maintsy hanolotra ny fitsarana ireo nahavanon-doza mba hampiharina amin’izy ireo ny lalàna.
Hihaona amin’ny praiminisitra. Samy miriaria avokoa fa tsy nisy notazonin’ny fitsarana any am-ponja ireto mpanolana vehivavy sy mpanao dramitsy (nampihatra dina tsy ara-drariny) ireto, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Manoloana izany, mampiaka-peo ny vahoaka ary hitondra indray ny raharaha amin’ny fitsarana. “ Anisan’ny mampirongatra ny asan-dahalo any atsimo ny toe-javatra toa izao ka mila sakanana haingana “, hoy ny fanazavan’ Atoa E.M.A. Maniry hihaona amin’ny praiminisitra amin’ny fandalovan’ny rahampitso ao Toliara ny fokonolona any an-toerana hitondra fanazavana feno ny zavatra nitranga marina.

Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser