Nisehoana fanafihan-dahalo indray tao Antanimarina- Beakanga, tany Mandoto, ny alahady lasa teo. Dahalo teo amin’ny roapolo lahy teo no indray nanafika ity tanàna ity. Nirefodrefotra ny basy tamin’izay, tokony ho tamin’ny 4ora folakandro teo ho eo. Omby aman-jatony no indray nentin’ireo dahalo tamin’izany, nivoaka ny tanàna. Nanomboka teo ny fanarahan-dia nataon’ny zandary sy fokonolona. Tao anatin’izany, no nisiana fifandonana mahery vaika in-droa miantoana teo amin’ireo mpanara-dia sy ny dahalo, ny alatsinainy sy talata lasa teo. Vokany olona iray tamin’ireo fokonolona nanara-dia no namoy ny ainy, voatifitry ny dahalo, telo hafa naratra mafy, raha toa ka miady amin’ny fahatesana ny iray ary nisy tamin’ireto farany ihany koa no tsy hita tany nanjavonana. Tetsy ankilany kosa, fantatra fa nisy tamin’ireo mpangalatr’omby no lavon’ny balan’ireo zandary sy miaramila, saingy nentin’ireo namany sisa velona nitsoaka niaraka taminy. Tafaverina tamin’ny tompony kosa ny sasantsany tamin’ireo omby an-jatony lasa, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana hatrany. Araka ny fanazavana azo hatrany, dia namoy ny ainy tamin’ny ora farany ny iray tamin’ireo olona naratra ary efa hita kosa ireo olona voalaza ho tsy hita popoka. Raha izao tranga izao tokoa no zohina, dia niverina tamin’ny « asany taloha » indray ireo nolazaina fa « niova fo ».
m.L