- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbilobe : Zandary 2 nofirain’ny fokonolona antsy, iray maty, lasa ny basy

Ambilobe : Zandary 2 nofirain’ny fokonolona antsy, iray maty, lasa ny basy

Dia raharaha tokoa ity resaka ady tany ity, tsy eto an-drenivohitra ihany, fa na hatrany amin’ny faritra aza. Resaka fifandaminana teo amina resaka tany, tany Ambilobe no nivadika ho famonoana olona ankitsirano. Vokany zandary roa no niharan’ny hatezeram-bahoaka, ny alarobia folakandro tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany teo. Namoy ny ainy ny iray, maratra mafy kosa ilay namany. Very niaraka tamin’izay ny basin’izy roalahy ireto. Raha ny fanazavana azo avy amina tompon’andraikitra ambonin’ny zandarimariam-pirenena iray, dia tsy nampoizina velively ny fihetsik’ireto andian’olona tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ankesika, fokontany Antsohimbondrona ireto. Raha ny fantatra mantsy dia nisy mpiasam-panjakana ambony iray tonga tany an-toerana, saika hijery io tany io, izay marihina fa manana ny taratasy ara-dalàna izy teny am-pelantanany. Toa efa fantampantatra ihany anefa no mety ho fihetsik’ireo andian’olona, efa nampiasa ity tany, ka nitondra zandary roa izy niaraka taminy. Efa vonona ny hifandamina ity olona ity raha ny fanazavana azo hatrany, kanefa dia zava-doza avy hatrany no nasetr’ireo olona ny fahatongavan’izy ireo. Efa niaraka tamin’ny zavamaranitra izy rehetra ka vantany tonga ireto olona dia raikitra ny sakoroka. Voafira antsy ireo zandary roa, izay tsy nahatohitra velively ireto andian’olona ireto. Maty vokatry ny ratra lalina nahazo azy ny iray, raha mbola manohy ny fitsaboana azy eny amin’ny hôpitaly any an-toerana kosa ilay namany iray. Nambaran’ny loharanom-baovao ihany koa fa very tao anatin’ity sakoroka ity ny basin’izy ireo : poleta iray ary basy lava iray. Vita izay, nitsoaka avokoa ireo olona ireo. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny Kômadin’ny fari-piadidian’ny zandary tany Antsiranana nijery ny zavanisy. Ary na dia teo aza anefa izany, niray hina niaraka tamin’ireo andiana zandary tonga nanao fanadihadiana tany an-toerana ny fokonolona. Efa nisy ny fisavana natao tamin’ireo tranon’ireo olona niantefan’ny ahiahy tamin’ity raharaha ity, raha ny fanazavana azo hatrany. Hatreto dia mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser