Taitra avokoa ny olona rehetra rehefa avy niverina tany amin’ny fandevenana nalehany ny zoma lasa teo. Lasan’ny mpangalatra avokoa ny entana tsara rehetra tao amin’ny trano iray teny Soavinandriana. Ny voavao voaray no nahafantarana fa raha voa nandeha ireo olona dia nisy bandy miisa efatra tonga nandroba. Vehivavy lehibe iray no tao ary dia tsy afaka nanao na inona na inona teo anoloan’ireo olon-dratsy. Nalain’ireto farany ireto avokoa ny entana. Tsy kely lalana tokoa ny ratsy. Raha ny halatra anaty fiara eny am-pandevenana no re taloha, izao ny trano mihitsy indray ny lasibatra. Tena mirongatra tsy hain’ny saina eritreretina mihitsy ny halatra sy vaky trano amin’izoa fotoana izao. Ohatra ny milaza fa lasa mpangalatra avokoa ny ankamaroan’ny olona.
r.s.